4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Inona hoy ianao? - Adeline

Eny hatrizay aho nikorana, niliba nanao hadalana

Fifaliana ho ahy izao tontolo izao

raha sendra nisy mba miteny, mananatra ahy ny momba ireny, inona no havaliko hoy ianao?

Izao efa lehibe, tsy mila famehezana e!, im-piry ho tanora moa aho e! (in-2)



Eny hatrizay aho nikorana, niliba nanao hadalana

Fifaliana ho ahy izao tontolo izao

raha sendra nisy toriteny, manazava ahy ny momba ireny,inona no havaliko hoy ianao?

Izaho efa mpivavaka e!, tsy mila toriteny re!,

izay fantatrao koa fantatro re! (in-2)



Kanefa indrisy nahonena, fa hay ny masoko jambena

Ankoso-bolamena ihany izao tontolo izao

Nanaiky ihany aho tsy noterena, handray lay tena famonjena,

Inona no tsapako hoy ianao:

Ny entako niha maivana e!, ny fiainako voahova re,

Ny mandrakizay azo antoka!



Ny fiainako voahova re, Ny entako niha maivana e!,

Ny mandrakizay azo antoka!


Partager inona hoy ianao?

Commenter inona hoy ianao?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Adeline