4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Apetrako eo am-pelatananao - A.SA.FI

Apetrako eo am-pelatananao ry Raiko

Ny fiainako be siasia

Ninia nandositra anao

Nihafina ny tavanao

Apetrako eo am-pelatananao ry Raiko

Fa amiko ry Tompo olombelona aho

Noforoninao hizaka ny zoko

Ka hisedra ny rehetra

Na hafaliana, na talaho

Sy hiharitra ireo ady maro loko



Nefa kosa Raiko ô!

Honjohonjoko irery

Nizaka ny mangidy tsy eran'ny aiko

Meteza indray mandeha

Mitodiha ka mijere

Ka afaho ireo olana namatotra ahy



Fa Andriamanitro ianao

Manafaka ny gadrako

Foiko ho Anao irery

Izay rehetra amiko

Raiso aho ho Anao

Ho Anao doria

Partager apetrako eo am-pelatananao

Commenter apetrako eo am-pelatananao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe A.SA.FI