4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira A - Jeedai

"A"

Jeedaï feat Randy, Mimsie, Hary G.



Mpilalao daholo ze mpivahiny rehetra, Elà, za. Samy manana ny tantarany

avy

ze mpiankandrefam-baravarana / Hatram’zay a de nijery, nihevitra a tsy

ho

mpilalao / satria ze jeren’la tô soa, milay daholo / Ze mande de

hain’la,

vao mihetsika ny mpilalao de kopy ela / de teny anivon’ireny a no very

-

raha nanontany tena ka tsy nahavaly  - tsy hain’la hoe iza ela, iza no

an’la / ho aiza ela, ary ... inn no mbô ho A an’la



Chorus 1 :

Inn no natao ho ahy, eto am’ty tany ity,

iza no anjarako, aiza ho aiza ilay A

Efa tsy ho anao ihany, de ho iza indray zany

Ho an’olonkafa izay natao ho A



Fantatro fa misy eny, antsefatsefan’ny tontoloko eny

eny anelanelan’ny nofy sy ny tena izy de misy ny teny

teny milaza fa misy joba namboarina tamin’ny tehezako, any

nandeha ny fotoana, nisy niazana, nisy niandrasana

f’aiza ihany? tsy mbola tonga foana hatram’zao, fa toa sedra lava -

ze tonga nandalo, nandalo de lasa, avy eo misy de foana

de zay foana, tsy mety tafatombona fa isan’andro de miova foana

aiza ary, rovina zay no ho feno, rôvina zay vo hiaona,



De iny fa tamy ndray ny ray, nisintona ny foko, nantsoiko

mandroso miemotra, toa mamela, toa manda, nefa to mazoto

ny hidirako, za repotra, mahery fihetsika’izy misangy ny foko

De nitafa a, nandoka a, tô tiako ty ho a f’hokolokoloiko

nitsiky izy, de diboka a, tsisy kozina tampoka fa kanto izy,

milay izy, mambabo ny fofona entiny, reveko tena tiako izy.

ka teo de nitsiky a fa hiasa ndray zany ho a ny foko

le efa saika difotra tanatin’reo fitia tota maro nisafotofoto.



Chorus  :

Efa taona maro no niandrasako anao

Ianao ty toa mihemotra tsy mahita A

Tsy noheveriko ho tahak’izao ity fiainako

Iza ihany no antenaiko ho anjarako



Nioraka ny fahanginako fa tonga enao, le tsy hitako teo,

Tsy re feo, fa nandeha tany, lasa, tamin’zay za tsy teo

Tsy taka masoko enao ka nanembonako, tany foana, tsy teto

Andro maro a tsy nahita anao, niezaka niandry no nametsovetso

Zao eo enao eo, de nihevitra f’hitombo ndray ny hasambarana

Tô iangarana a, faly rehefa nahita anao tonga nanarangarana

Tsy mampino ny fahitako anao nandona tao ambaravarana

Ny varavaram-poko, nidanadana, tsy nan’nofy a, k’avy de nitsangana



Zao anefa de gaga a, fa hay niverina enao fa tsy ho a le

Efa misy kofa hafa oz’enao miaraka aminao... fa tsy za le...

K’inn ko ty tsy te hampijaly ka nandalo, tonga namangy, oay le,

F’angaha moa eto misy zaza ka mila sangy na tambitamby, f..?

’ze ataonao, tsy koa, za koa kofa, ka tsy za no hisento

Tsy hanenenako ze nataoko, ka na voadona azy a tsy ho pempo

Radem a d’efa kopy f’antrantran’olo-kafa ndray no hisefosefo.

K’zao nde mande, f’aleo a ho eto, handinika ny ze ho fiainako eto.



* Chorus 1 :



toa feno ny fiainako, isan’andro a mandeha fa malalaka

tsy taitra mandeha etsy de etsy, de midasy rehefa avy valaka

tsy mieritreritra an’ze hoaviko fa de miodina miaraka

am’ny akama, etsy de etsy tsy mahatsiaro, hoe tokony hisaraka-

ny fiainan’ny ho avy / tokony heritreretina fa tsy avela

am’zao de avy eny, vao hieritreritra hoe aiza a to tavela

aty anatin’ity tontolo tsy misy fivoahana, fa geja lava

toa ny fahalalahana ihany mantsy ty no mitady handravarava



faly a fa malalaka, toa afaka, nefa tsy kopy ze lalako

mande rery a toa valaka, ts’irery a, tsy mataratra hoe (aiza)

aiza no tokony hitondrako an’ity fahalalahako ity aiza

aiza no hitondran’ty fahalalahako a ty, iza no kôpy hoe aiza

aiza no hiodinako, aiza no tokony hodiaviko, aiza no misy a

iza no tia a, iza no tiako, iza no ilaiko ary iza no mila a

miovaova ny an-tanana de tsy kopy hoe iza, iza avy no tsy a,

toa efa an’oll daôlo mantsy reto lalôviko eto, fa mbola aiza ty A



Chorus 1 :

Yeah Zay le vazo "A"

Jeedai, Randy Mimsie, hary g, ho a ho an’lisany ho antsika

retraretraretra



Chorus 2 :


Partager a

Commenter a

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jeedai