4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rainay o - RAKOTOARISON Onja Lalaina

Rainay r’Ilay Mpanjaka be voninahitra o!

Andriamanitra be fitiavana indrindra Ianao

Lehibe ny herinao, tsy ho voatanisanay

Eny, mendrika atolotra ho Anao :

Ny saotra, haja , fiderana

Tompo Tsitoha, mpanao ny soa

Ka indreto izahay avy hidera Anao

Mankalaza hatrany ny anaranao masina

Raiso izany ho hanitra ankasitrahanao

Tena vokatry ny fonay izao fiderana izao



Na dia kely aza izahay mihoatra Aminao

Na tsy mendrika aza manoloana Anao

Raiso ny fankalazana izay atolotray Anao

Fa maendrika izany Ianao ry Tompo, Ianao



Ny fonay midera no aoka ho hitanao

Tarafin’ny hazavana soa avy Aminao

Na tsy ho ampy aza ny andronay hiderana Anao

Dia izay kely vitanay no atolotray Anao



                                     Groupe Lalaina…

Partager rainay o

Commenter rainay o

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAKOTOARISON Onja Lalaina