4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Masoandro - RAKOTOARISON Onja Lalaina

Masoandrom-piainana mibaliaka Ianao

Na anaty aizina aza aho mahita tara-pahazavana

Ambany fahasoavanao ny fiainako

Ny tanam-pitiavanao no mitantana ahy

Endre, Jesoa! Ny hafaliana ao am-po

Fa mahatoky aho f’Ianao no aroko

Raha manjombona izany lalana hombana

Ianao no hihazona ny hazavana ao am-po



              Manda fiarovana ho ahy ny eo Aminao

              Ho trotraka foana ireo izay mikasa hamingana ahy

             Ambany elatrao ny momba ahy

              Tsy hisy hanala ahy tsy ho akaikinao

              Endre, Jesoa! Ny hafaliana ao am-po

              Fa mahatoky aho f’Ianao no aroko

              Raha manjo ahy ireo fisedram-piainana

              Ianao no hanafaka ahy sy hanafy hery koa



Mahavonjy amin’ny tanan’ny fahavaloko Ianao

Ka mandrava ny ratsy sy fandrika velariny

Ambanin’ny sandrinao mahery aho

Tsy orin-java-tsoa fa mandresy tokoa

Endre, Jesoa! Ny hafaliana ao am-po

Fa mahatoky aho f’Ianao no aroko

Raha miady ny ady tsaran’ny finoana aho

Ianao hialoha lalana ahy ka tsy hihemotra aho



                                                          Groupe Lalaina…

Partager masoandro

Commenter masoandro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAKOTOARISON Onja Lalaina