4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fihavanana - Ndriana Ramamonjy

Ny heloko no nampisaraka ahy

Tamin’Andriamanitra Fitiavana

Haizina no niainako tety

Soa ihany fa tonga Jesoa

mba hamitrana ny fihavanana

tamin’Andriamanitra Fitiavana

Raha toa anisan’izany ianao

’ndeha hiaraka hanao izao hira izao



Ndeha hifandray tanana

Hitory fihavanana

Ka ny hazofijaliana no ho lalana

Hampihavana ny olona amin’ny samy olona

Sy amin’Andriamanitra Fitiavana



Ny ràny teo amin’ny hazofijaliana

No nanaovany ireo fampihavanana ireo



Ekeo ny fanavotany

Ho sambatra izaho sy ianao

Hiaraka hihira hoe



Ndeha hifandray....


Partager fihavanana

Commenter fihavanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ndriana Ramamonjy