4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay teny - Lil'c

Homeko anao ny hira
Homeko anao ireo teny
Ianao ilay vato safira nokoboiniko ho ahy irery
Homeko anao ny hira
Homeko anao ireo teny
Tsy tanty intsony ilay mangina,tazomy am-ponao ireo teny

Homeko anao ny hirako, nadaharako ireo tsy voalaza
Efa hainao ihany fa ny ahy mo hira ihany no fanaovako azy
Manapy ahy milaza ireo,bitsika mangina ao am-po tsy homeko feo
Voatazona anaty vazivazy sangisangy,kanefa de tsy andriko izay hahenoinao azy

Homeko anao ny hira
Homeko anao ireo teny
Ianao ilay vato safira nokoboiniko ho ahy irery
Homeko anao ny hira
Homeko anao ireo teny
Tsy tanty intsony ilay mangina, tazomy am-ponao ireo teny

Mangina ny ato am-poko tsy mahateny
Mahita anao, lasa saina dia efa very
Tsy fanahiniko fa ny foko no malemy
Ka ity ilay teniko,vazo iray ka voateny

Menatra aho ry joba
Menatra ka sanatria
Menatra ry joba
Menatra hikozy andry
Menatra matoa nametraka an’ity vazo ity
Menatra ao anatiko, menatra aho aky
Ka tsy tantiko ny mahita anao isan’andro toy izany
Mampifaly,mankary,miantsoantso ny tomany
Katsy tantiko ilay toetranao manaiky hatrany hatrany
Mapidoboka ny fo ,manakorotana ny tany
Nefa efa aiza ilay fitiavana ,mankaiza
Nefa aiza ilay fitiavana,hatraiza
Ka homeko anao ny hira,homeko ilay teny
Homeko anao ny foko,homeko anao ry neny

Partager ilay teny

Commenter ilay teny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lil'c