4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tokatrano sambatra - HOSANA

Antoky ny fifaliako Tompo ô lazaiko Anao

Ny ankohonana niaviko raha mitodika Aminao

Rerak’izy ka atsangano manantena ny antranao

Amboary tokatrano mandohalika Aminao



Ry Jesosy itokiako, ’zao mivavaka Aminao

Mba tahio ’lay dada tiako hiombon-dalana Aminao

Mbola zavatra iriko, itarainako toy zao

Ny fon’ilay reny tiako, mba kasiho ny tananao





Izy ireo dia miasa fatratra manan-javatra kendrena

Ary koa manafatrafatra hitomboanay fahendrena

Tsara izany nefa Raiko, izy ireo koa andrandraiko

Hila anao ho fiantsapazana mba hahazoana fahombiazana



Fifandira-mampisy efitra alavirina tokoa

Mifanaja mifandefitra zay no maha-mpiray tampo

Ray sy reny olona ihany mety hiteny handratra fo

Fomban-javatra eny izany zaho ho zanaka manoa



Fa na ratsy ireo na tsara tena mamiko lalaiko

Hivavahako hanan-jara fanompoana Anao ry Raiko

Zay ankizy ray sy reny miara-mankato ny teny

Ny safidinay hitambatra ka ho tokatrano sambatra

Partager tokatrano sambatra

Commenter tokatrano sambatra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HOSANA