4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ampianaro - HOSANA

Tompo ô! Ampianaro aho hitia

Levony re ity andry amin’ny masoko ity

Dia ireo fomba sy tarazo mamatotra mpahazo

Tsy ananako fitiavana

Tompo ô! Ampinaro aho hitia

Indraindray aho raha mahita irony namako mania

Dia indro fa sorena ka manamarin-tena

Indraindray dia sahy mitoraka



Izaho, Ray ô, efa toa azy ireny

Nanara-po teny rehetra teny

Na dia efa tany an-kady mbola indro Ianao nitady

Nanangana ahy ho zanaka

Izay toe-panahinao izay tiako hanazaranao ahy

F’izany no fitiavana



Tompo ô ampianaro aho hitia

Hitia ireo mifofo ny aiko noho ny aminao Jeso Kristy

Ekeko tsy ho valiana raha izay fanaratsiana

Fa hivavaka aho mba ho azy ireo

Tompo ô ampianaro aho hitia

Fa tsy manavakavaka hoy Ianao izay tena tia

Na inona hitranga tsy hijereko saranga

Ny mahampitory no aoka haseho



Anarinao hitady paradisa

Ireo mino sy mpanota tsy hita isa

Tsy ijerenao harena fa tianao hovonjena

Na ny ory na ny manana

Izay toe-panahinao izay

Tiako hanazaranao ahy

F’izany no fitiavana

Partager ampianaro

Commenter ampianaro

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HOSANA