4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Midera anao - Antoko Mpihira HOSANA

Midera anao aho ry Ray Mpahary

(Midera Anao)

Tompon'ny lanitra sy tany

(Midera Anao)

Ma-te hidera ny Asanao

Manandra-tanana aho

Misaotra Anao ry Raiko



Tamim-pahendrena sy ny hery,

No namoronanao ireny

Na ny hita maso na tsy hita

Dia noharianao sy vita

Maneho ny hatsara-ponao



Ref: Midera Anao aho

       Fa tsara ny Asanao

       Ry Tompo Tsara indrindra

       Midera Anao aho

       Hitory 'lay Fitia

       Fitia mitoetra

       Mandrakizay doria

       Mandalo ihany anefa

       (mandalo avokoa)

       Ny zava-drehetra

       Ny Fanjakanao kosa hitoetra

       Reo matoky rehetra

       Dia mbola hidera Anao



Midera Anao, ry Famonjena

Antsitrapo fa tsy terena

Fa tsy voakosoka ao an-tsaiko 'lay

Nanoloranao aina, mba hanavotana ahy



Midera anao aho am-patokiana

Hitondra ny Hazofijaliana

Fa io no lalam-pahazavana

Nitondra fiovana

Ho an'ny Fanahy sy foko.



Ref:



      

Partager midera anao

Commenter midera anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Antoko Mpihira HOSANA