4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 4 mi - Charles Kely

4 MI



Andro maraina vao mangiran-dratsy

Ao anatin’ny baka fanariam-pako

Io zandry kely mitsindroka vary

Ny fiara mandalo no reny manako

Ka mailaka ery i zandry

Tsy mba malaina

Asa mangina arahina kalo

Dia fahafinaretany tsy hainy hazavaina



Fa mbola tsy nitapaka akory

Ilay sôlefana

Dia indro fa nitranga sahady

I ngahibe masoandro

Tsy laitra hiafenana intsony

Ilay hazavana

Indrisy anefa mbola tsy azo

Ny sakafo atoandro

Fa tonga ity ny maraina

Vita hatreo ny tohan’aina



Kibo tsy feno, tsy vady manohana

Fantatrareo fa tsinay tsy mba vatsy

Tsy ampy hery hifampitolomana

Very fihinanana mangasihasy

Ireo be sandry no tompon’ny laka

Mandrombaka hatrany ny anjara-karama

Lasany jiaby ny miambina fiara

Sy ny porter ny entam-be ny Madama



Fa tonga mantsy Ingahy be masoandro

Hanapaka hira

Dia ho avy koa ilay fiara

Handroaka an’ity zaoridira

Mangalatra letsy no ratsy

Fa anio atoandro aho tsipazo tapa-mofo

Handraseko an’i ngahy be masoandro

Masaka izay ny nahandro



Masoandro be mitondra hafanana

Fifaliana ho anao manam-bary

Fa sompatra ho anay

Mifanjevo amin’ny ady mosary



Lasa ê tsy mahatsiaro ny lasa

Fa be ny kinasa tsy efa

Izy ê tsy nifidy ny ho eny

Tsy mpirenireny tandremo

Ianao mba niangaran’ny vintana

Ka toy ny kintana an-danitra

Jereo fa raha sendra mandalo

Tsy hoe fahavalo fa akama



Ia ê

Ity fitafiana an-koditro ity

Tsy hary mbola nisolo hatrin’ny ela

Voalaza fa ny 4 Mi

Henatry ny firenena

Ka iza marina ary no diso

Miady seza mandrava tanàna

Mirongatra ny afera masiso

Toa tsy misy lalàna





CHARLES KELY

Partager 4 mi

Commenter 4 mi

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Charles Kely