4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha tia mozika - Tovo j'hay

Tovo J'hay :Te mba hiara hikalo aminao aho
Hitondra hafanana vaovao aho
Izay ilay tsy ahafoizako anao
Ilay tena tiako any aminao

Rehefa mba mangingina aho indraindray
Ilay endrikao no indro eo
Mameno fo sy reko feo
Mibadabada tsy mety miato
Poopy : Tsaroako foana ilay fanao ahy
Ireo teny mambabo fo
Tsy mba foiko tokoa
Miverimberina foana ao antsaiko tato ho ato
Lalie : Lay resatsika omaly
Mamelovelo tsy mampatory ahy
Ka n'aiza n'aiza misy anao any ho any
Hijery anao aho na androany androany
Ref : Raha toa ianao ka tia mozika
Dia mba hiara hikalo aminao aho
Raha toa manerika na mangatsika
Hitondra hafanana vaovao aho
Tolory tanana aho rehefa tonga any
F'izay ilay tsy ahafoizako anao
Tolory tsiky iray tsy misy ahiahy
Ilay tena tiko any aminao

Malala : Tsahivintsika kely aloha iray minitra
Ireo kely rehetra efa vita hatrizay
Natao tamin'ny fo niraisantsika
Mitondra ny fiainana ho avy izay mbola tsy hita

Nanie : Tsikaritro fa tsy ianao ihany no tojo fisainana toy izany
Mieritreritra lasa vinany
Maniry tontolo vaovao tena tonga lafatra
Bodo : Matotra angamba ny androany
Sanantria tsy hanihany
Lazaiko zaraiko aminao izay efa niainako hatrizay

Raha toa ianao ka tia mozika....

Sambatra ianao izay
Tony fo sy fanahy
Mahay mandray, mahay miara dia
Toy ny olona mifankatia

Raha toa ianao ka tia mozika...

Dia ho sambatra izaho sy ianao

Partager raha tia mozika

Commenter raha tia mozika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite