4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lavitra - Tody Nat ft Antsa



omaly ianao nilaza fa fitiavana tsy ho faranana
omaly ianao nanome toky ahy hoe ny antsika ho lafatra
tsy hifanalavitra tsy hisy hasakana
lay foko efa mitempo anao aza avela ho rotika
noheveriko ho anao samirery
mendrika anao ve ny ahare ho adinoy aho
tantinao ve rah androany aho hilaza tsotra izao
dia ho ekenao ve, ny amela ahy andeh

REFRAIN
mandehana amin'ny lalan'ny fonao
fa izaho indray no hitana ilay toky nomenao
mandehana fa aza manahy
raha vitanao ny andao ahy raha tantinao ny halavitra ahy

indro ianao toa lavitra ahy ankehitriny toa nisaraka lay fo anankiroa tsy manantsiny nefa,
ianao toa ahy fona, na dia be aza ny sedra sy fotoana, mino aho fa any taona
lay iray safidy fa efa izaho no manoloana dia ny alahelo atao be dia be,
ianao io, zaho aty, sarahan'ny elanelana lay alahelonao toa lasa tsiky dia niserana
nefa aza atao mahakivy mo ki zany piso a, fa mbola ho avy lay anjarantsika rahampitso
ka hivalona any ty, lay rahona mitoetra dia amin'izay ho tsapanao fa fitia tsy misy fetra
foko mitoetra fa ny tenako nandao, kanefa niteny aho fa mbola hiverina eo akaikinao
toky no nomeko nefa zao aloh mbola ekena fa, halavirana mahatonga antsika tsy hifanena ka
sarinao anankiray no indro tazako, dia mitamberina ao an-tsaiko lay niantsapazako
mino ah, ary manantena fa atsy ho atsy, dia ho tapitra amin'izay hifarana lay nofy ratsy
zay nampijaly, efa ela ihany zay, dia hinoako fa ho sitrana ny ratrako nahamay
efa tsy andriko, mafy fa mangidy lavitra ny silam-batako, tsy mety hikombona ny ratrako
fotoana kely sisa dia hiposaka lay hazavana vo maraina
ny endrikao mitsikitsiky no indro tazako amelombelon'aina, dia hitamberina ato an-tsaina
fa mbola tiako tiako ianao dia mbola tiako ho fantatrao fa hatramin'izao dia mbola tena manantena
aho tianao dia mbola manantena aho izaho sy ianao, ho iray, yeahhhh mandrakizay

REFRAIN
mandehana amin'ny lalan'ny fonao
fa izaho indray no hitana ilay toky nomenao
mandehana fa aza manahy
raha vitanao ny andao ahy raha tantinao ny halavitra ahy


adinoy reo toky nandanianao teny hatrizay
raha ny fanambinao anio hoe tsika tsy afaka ho iray
inoako nofy ratsy fotsiny iny androany
satria mora taminao ny namalona ny omaly

REFRAIN
mandehana amin'ny lalan'ny fonao
fa izaho indray no hitana ilay toky nomenao
mandehana fa aza manahy
raha vitanao ny andao ahy raha tantinao ny halavitra ahy

Partager lavitra

Commenter lavitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tody Nat ft Antsa