4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mandondona - THE SINGERS OF JESUS

Nandeha nizaha ny tsiron’ny tontolo
Nitady ny soa Izay rehetra hita teny ho eny toa tsara avokoa
Tsy nandalàko hery, namoizako ny androko rehetra
Fa hay misy ihany ny fetra, niakarapoka aho

Ref 1: Fa nandondona tao am-poko tao ny Tompo nitomany
Reko ny antsony amiko hoe mitsangana
Tonga aho hamonjy anao,
tsy an-tery anie fa mandondona Mba vohay re ny fo sao dia tara Voafetra anie ny ora atsy afara Tonga aho hamonjy anao, hanorina ny hoavinao mandondona

Saritsarim-piainana ihany , izao hita maso izao
Ho rava sy ho foana atsy ho atsy, ka mivonona ianao
Nandanianao hery, namoizanao ny andronao rehetra
Voarakitra ao an-danitra, izay vitanao

Ref 2 : Fa mandondona, ao am-ponao ao ny Tompo mitomany Renao ve ny antsony hoe mitsangana
Tonga aho hamonjy anao, tsy an-tery anie fa mandondona
Mba vohay re ny fo soa dia tara Voafetra anie ny ora atsy afara Tonga aho hamonjy anao, hanorina ny ho avinao

Bridge: Fa izao aho dia hamoa anao
Omeko anao ny amiko anjakao
Inty aho Tompo ô mifona aminao Fa nanota aho ka raiso aho ovay ho olom-baovao Mandondona (4)
Tsy an-tery anie fa mandondona (4) Oh vohay ny fonao mandondona (4)
Tsy an-tery anie fa Oh oh … (2) Hanorina ny hoavinao fifaliana, fiadanana ampoka tambitamby
Haravoana fiainana manana amby no omeko anao dieny izao
Honina ao anatinao ho aminao

Partager mandondona

Commenter mandondona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe THE SINGERS OF JESUS