4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny fiainana an-tany - Tanora masina itaosy

Johin-dranomaso ve
no asetrinao ny Tompo
Hakiviana lava,miampy sento sy toloko
raha ny fahoriana,nentin'i Jesosy taminao
ka tsy ho zaka ninona hatao
hazo fijaliana tsy mba manam-paharoa
nentin'Izy Tompo sy niafiany tokoa
Koa ndeha hatrakao ny loha
omeo ny entanao,fa Izy efa nanafaka anao.
Ref::: Indro Jesosy ô ,mba!raiso ny tanako
diovy ny foko,ho lapanao tokoa.
(2 fois)
Ny fiainana an-tany anie ,mandalo fitsapana
maro zavatra sedraina angaha lalana hombàna
ny finoana ao anatinao no hazony sy hajao
mba hampiray ny Tompo aminao
Izy no mitarika ny lalana mankany
sady nanamboatra toerana miadana hifaly
lova sarobidy izay nomeny ho anao
raiso Izy anio fa tsy hanenenanao.
Ref::: Indro Jesosy ô ,mba!raiso ny tanako
diovy ny foko,ho lapanao tokoa.
(2 fois)..

Partager ny fiainana an-tany

Commenter ny fiainana an-tany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tanora masina itaosy