4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana moana - Solika

Tia azy izany foko , eny tia

nefa kosa hotendreko mba hangina

raha ny handrafy ny olon-tiana sanatria!

fandeferana no manda,no manda nofidiana



Raiki-po tamin’ny olona tsy manina

ombakobana namandrika tsiriry

kanjo tojo toy ny ady

toy ny ady mahafanina

ny fanahy foana re no mangirifiry



Tsy maninona iny hoy aho raha ny voaly

ny misopatra dia zavatra tsy haiko

f’izao no zavatra hokendreko , dia ihany

ny adidiko aminao re io no tontosaiko

ny kapoaka atolotrao dia hosotroiko

Na mangeroka aza re zakaiko ihany

f’ilay fitia izay tsy mivady hovonoiko

vonoiko tsy hitrebona eee

tsy hitrebona eo ant-any



raiki-po........

Partager fitiavana moana

Commenter fitiavana moana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solika