4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha sendra - Skerzo feat Odyai

asa ianao raha mahatsiaro ahy
raha sendra lasa any ho any

Asa ianao raha mahatsiaro ahy
raha sendra lasa alavitra
raha tsy eo anilanao aho
dia ef koboko fa ho sarotra
tsy aiko izao ianao raha mahatsapa izany koa
fa ny antsika lavitrin'ny maso
fa akaiky ny fo
raha sendra malaelo
tonga dia antsoy
ireo adalana aleveno
fa ny antsika tiako hitohy
isak'alina ah mivavaka ho antsika roa
voamai mitombo mitombo ki ny fitiavako
ba noho ny taloha
ka.........

asa ianao raha mahatsiaro ahy
raha sendra lasa any ho any

asa ianao raha mba ohat'ah
rafa ny masoko mikipy
ny endrikao no itako
sady miampy tsikitsiky
misesisesy ny andro
fa iabao manome nofy
anao foana ny foko
fa ny toerana no miova
ka izao alou aza adino
fa ianao ihany ilay tokako
sarinao aty amiko dia iny no mba horohako
ireo fakam-panahy
tsy maintsy misy ireny
fa matokisa anah fa za tsy hamela anao irery
ka......


asa ianao raha mahatsiaro ahy
raha sendra lasa any ho any


asa ianao raha nanadino
fa 'za lou tsy am'zany
mibanjina ny lanitra dia
zah maniry ny ho any
satry ny akaikinao no mba ahazoako ny hafanana
masoandro ny fiainako
mitondria hazavana
mba asivo heritreritra na iray minitra monja
fa ianao ange ho ana
mamiratra toa diamondra
ka raha fitia no ilaina
omeko tsisy tambiny
raiso aky ny tanako
fa efa avelako ny ambony
ka........


asa ianao raha mahatsiaro ahy
raha sendra lasa any ho any

#Andrianina Rasolomanana

Partager raha sendra

Commenter raha sendra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Skerzo feat Odyai