4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tanisa - Samoela feat Stéphanie

Eto antokotany eto aho zao malala no mitanisa
Lasa saina aho, mamisavisa
Raha mba teto angamba ianao zao malala aho tsy nangatsiaka
Tsy lany atao aho, tsy lany fika
Eto ivelany eto aho zao malala, mangingina
Ngoma anao aho, sady tsisy atao
Raha mba teto angamba ianao zao malala aho mba velon-tsiky
Vita tonony aho, vita mozika

Isan’andininy:
Fa ny eo anilanao lalandava no tena tiako, faniriako
Mianoka aminao ôh! Mankafy anao ôh,
Raha karakarainao tsara aho, ka tandremanao … tsy maditra
Mifitsaka aminao ôh! Mankalaza anao ôh …

Ka tsy atao resa-jaza, na kabary lava
Tsy tafandry mandry, ‘ty foko mitady
Efa sasatra miandry, miandry lava anao ôh!
Dia ianao ndray no gaga
Dia ianao tsy mahatsapa
Sa ianao ve migafy, sa ianao ve mitapy
Raha toa tsy mandre, f’efa degany be
Ny ato am-poko ato ôh!
Fa zao ngeh malala, zaho tsy hoe mihanahana
Na bandy sanana, fa matoa mivoraka, matoa manambara
Dia potika aminao ôh!
K’efa reven’ny fanahiko, marary amin’ny aiko
Ekeko Mandidy , Ekeko mibaiko,
Ekeko manapaka,
Ankafihizin’ny saiko ianao ôh!

A/C: Samoëla RASOLOFONIAINA

Ajouter par Heninkaja le 16/09/14

Voici la parole and vidéo
https://www.youtube.com/watch?v=rI2HHTAe4yY

Partager tanisa

Commenter tanisa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela feat Stéphanie