4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiavina - Samoela

Tezitra be tamin'i maman-dry aho
fa izy angamba efa lasa adala
Le sariko teo andoha fandrian-dry
nosoloiny soratra hoe
Arovy aho Tompo
Ireo boky feno taratasy siambaratelontsika ireny
Efa nafoiny sy nosoloiny Baiboly be dia be

Sao mantsy ianao variana any an-danitra any
Hanadino ahy eto an-tany
Fa misafidiana aminay roalahy
"Jehovah " sa " Izaho"
F'ireo mivavaka any ambony any ireo re!
Sahirana raha miaina
F'izaho kosa eto an-tany
Tsy ampijaly anao izany aho
Hamalifaly anao hatrany

Ilay tambohom-piangonana fanaovan-tsika rendez-vous taloha
Efa nasian'ny Pasitera soratra hoe
Tsy azo ijorojoroana eto ô!
Inderto re ry havako fa nosarihiko singa-biriky anakiroa
Hanaovantsika izany souvenir n'ny lasa tsy mba hangina

Tiavina an! Tiavina oh!
Tiavina! Zay tianao no toavina

Partager tiavina

Commenter tiavina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Samoela

Suite