4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Omeo azy ray ô - RIJA RAMANANTOANINA

OMEO AZY RAY O


Dia nifitsaka mangina
ilay zandry feno loto
nanondrika ny lohany,
nandinika ny tany,
nitsahiny rehetra,
mitsinjo izay ho alehany ...
Ny hodiany moa tsy misy,
Ny vatsy koa dia foana,
Ny an-koditra miharovitra,
Ny fafin'ny fanala,
Ny hovitry ny hatsiaka.
Niaretany avokoa ireo.

Fa trotraky ny fiainana
'Lay tovolahy ka fanina
Tsy hita intsony aleha
Fa tapitra ny lalany
Ka ny ainy ho lasa
No hany sisa andrasany

Dia nivadika ny taona
Nandroso ny andro
Dia hitako Ranamana
Arahin-tovovavy
Mibaby zazakely, mitovy loko aminy
fa zara raha mitafy
ity zazamenavava
matory eo an-damosiny
Toa taratra sahady!
ny aloky ny ampitso
sy ny endriky ny ho fiainany...

Voatokana hijaly ve?
ity zandrikely mihalehibe...
Tsy hita intsony izay aleha
Toa tapitra ny lalany
F'izay an-drainy
tsy hita hodiavina

Ray ô!
Ny anio sy ny ampitso izay Anao raha sitrakao
Anomezo azy koa.
Omeo azy anio
ny hazavana izay tsy hitany hatrizay
Omeo azy Raiko ô!

Partager omeo azy ray ô

Commenter omeo azy ray ô

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RIJA RAMANANTOANINA

Suite