Paroles de Chanson Malgache sur GasyKaManja - Tononkira malagasy

Rechercher chanteur ou groupe : Titre :  Ajouter une parole de chanson

Rija ramanantoanina Fa iza

Titre de la chanson : Fa iza
Nom de l'artiste : Rija ramanantoanina
Fa iza,

Nosoloiny olon-kafa hono ianao
Sady koa nokasainy nafohy
Notefeny fiainam-baovao, ilay fitiavany mba ho matohy
Fa na dia tia aza Ianao, tsy nohenoiny
Nafoiny mihitsy ary dia nosoloiny

Fa mbola hita sy tsapa ny lasa
Izay niarahana, tsy ho voafafa
Ny manadino azy angamba no tsy vita,
Ny fo no ampangino tsy hitanisanisa
Tia azy Ianao,tsy nohenoiny
Nafoiny mitsy ary dia nosoloiny

Ref: Fa iza moa Ianao
No ndeha ahalala
Izay ho tiany
Ka hametr'izay safidim-pony
Tsy maintsy hitianao
Fa na dia tia azy Ianao
'Lay hoe tia adala tamin'iny
Moa mety ho marina izany?
F'izao hamafiso ny fonao

Fa mbola hita sy tsapa ny lasa
Izay niarahana tsy ho voafafa
Malahelo ve moa Ianao tsy hitomany
Kanefa ny omaly efa lasana any
Tia azy Ianao fa tsy nohenoiny
Nafoiny mitsy ary dia nosoloiny

Jereo ny maraina vaovao
Mbola hisy mamaratra ho anjaranao
Henoy ao am-ponao ny feon'ny fanantenana
Mbola hisy masoandro
Hitondra hazavana
Mbola hisy fanilo hafa indray, hafa indray

Ref:

Les autres chansons de Rija ramanantoanina

Page : 1 page 1 / 10
Nombre de chansons [ 49 ]
Page : 1 page 1 / 10
  • Hafatra

  • Mahery ny fitia

  • TAMBATRA

  • Raha tsy ho ahy

  • HAY VE ? by Shoan & Orchestre DIAP

  • Tokoa

  • Tsy omaly

  • Tsara hiafarana

  • Soa

  • Serana

  • Namako ianao

  • Miandry foana

  • Mama

  • Hay ve ka nisy

  • Hafatra

  • Fitia mamiratra

  • Fiainana kely

  • Efa

Publicite