| << Retour |
|
|
| Titre de la chanson : aleo |
| Artiste : rija ramanantoanina |
| Posté le : 01/01/1970 par : |
| Siteweb : |
|
Aleo hiato
Satria tsy fitia
Tsy natao ho ahy
Tsy natao ho antsika
Izaho tena tia
Ianao koa minia
Milaza fa hoe
Mbola tia, tena tia
Nefa tsy afaka intsony satria
Efa voafehy ny saina
Na izaho na ianao de mitovy
Fa isika no mbola mihevitra fa :
Mbola afaka hitia, ankalalahana
Tsy mahatsiaro fa hoe 'fa voafatotra
Tsy afaka hitia, ankalalahana
Fa fitia diso aoriana
Mety ho tena marina
Aleo hiato
satria tsy fitia
Tsy natao ho ahy
Tsy natao ho antsika
Izaho mbola tia
Ianao koa minia
Milaza fa hoe tena tie, tena tia
Nefa tsy azo fefena ny fo
Ho tia na koa ankahala
Tsy hay fefena izay tia
Tsy hay hanarina koa mba ho hendry
Ka tsy hihevitra fa :
Mbola afaka hitia ankalalahana
Tsy mahatsiaro fa hoe 'fa voafatotra
Tsy afaka hitia, ankalalahana
Fa fitia diso aoriana, mety ho tena marina./. |
|
| Envoyer la chanson à un ami | Imprimer la chanson aleo de rija ramanantoanina |
| Liste des chansons de Rija ramanantoanina |
» aleo » anio » avelao any » avy aminao » aza havelanao ho maina » Fa iza » Hafatra » Hay ve? » Omeo azy Ray ô » Raha tsy ho ahy |
| |