4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy hohadinoiko - RAKOTOARISON Onja Lalaina

Matoky aho Raiko

Matoky hatrany

Mino ihany koa

F’ilay teninao

Tsy afaka an-tsaiko

Voarakitra am-po

Mampahatsiahy ahy hatrany

Ireo teny mamy

Nolazainao

Eny, mamiko loatra

Tsy ho adinoiko

Ao anatiko ao



1. Tsy ho adinoiko

    Ilay teninao Raiko

    Niantso ahy hoe : "ry zanako"

    Ahy ianao

    Karakaraiko

    Fa asan’ny tanako



2.Tsy ho adinoiko

    Ilay teninao Raiko

    Nanome ahy ny fanahy

    Aza matahotra

    Mijoroa hatrany

    Eny, aza manahy.



3.Sombiny ihany

   Ireo voalazako ireo

   Fa maro izy ireny

   Tsy voatanisa

   Nefa sarobidy

   Ho tsaroako ombieny.



Naina Robdera

15/11/01 11h 08

Partager tsy hohadinoiko

Commenter tsy hohadinoiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAKOTOARISON Onja Lalaina