4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho any aminao - Poopy

tsy atakalo tsy hiova
ny andro anio zay hiarahako aminao
tsy hasanda vola tsy hasanda harena,sarobidy

zao rehetra izao raha anjakako anio
dia tsy hanova zay efa raikitra
fa ianao ,ianao ihany zay ny anio

hanaingafainga aho hamonjy anao
ela nandrasana izao andro izao
ho any aminao ny anio no anto-diako
ho any aminao ny faniriko

n'iza n'iza handresy lahatra
ka manao zay tsy hiaonako aminao
dia ho lany,lany andro eo 'f'izao tsy miova
fa ianao,ianao ihany no efa nomeko ny androko anio
ka ho ahy tokana ihany ,ny ahitana anao

enga anie anao ho toy ahy koa
tsy misy atakalo amin'ny andro anio
f'izay mety ho sakana tsy handresy lahatra
fa sarobidy loatra ny anio,sarobidy ny anio

tsy atakalo tsy hiova ny androtsika anio
hanaingafaingana aho hamonjy ny androtsika anio

Partager ho any aminao

Commenter ho any aminao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite