4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Satria tiako ianao - NY TOKY

I MIANY TOKY – SATRIA TIAKO IANAO

Androany ilay andro / nandrandraina efa ela
fotoana mamy ahy sy anao / antsika irery / r’ilay tiako
Ilay nofintsika efa ela / eny hatramin’izay
Indro tanteraka/ izaho sy ianao ho iray

FIV : Ka hiezaka aho, ny hanome fitia
Fitia ho anao lalandava mba hikolo fa tsy handrava
Ny Toky no ataovy an-tsaina f’ anao aho
Fa hitia anao, tiako ianao
Satria efa anjara ny antsika , ka tsy maintsy irina ho tafita
satria tiako ianao

Androany ilay andro / hipetraka ho tantara
fotoana iray ho sary an-tsaiko /ilay fitia /mandra-maty
Izaho ho anao / ianao koa ho ahy
Ho doria / ny antsika ho mandrakizay

Ka hiezaka aho, ny hanome fitia
Fitia ho anao lalandava mba hikolo fa tsy handrava
Ny Toky no ataovy an-tsaina f’ anao aho
Fa hitia anao, tiako ianao
Satria efa anjara ny antsika , ka tsy maintsy irina ho tafita

Tsy maintsy ihisy ireo sedra, fa isika tsy ho voageja
Mety ihisy ialona koa , ny amin’ny momban-tsika roa
tsy hampiembotra izany/ fa ny hiroso hatrany

Ka hiezaka aho, ny hanome fitia
Fitia ho anao lalandava mba hikolo fa tsy handrava
Ny Toky no ataovy an-tsaina f’ anao aho
Fa hitia anao, tiako ianao
Satria efa anjara ny antsika , ka tsy maintsy irina ho tafita
satria tiako ianao

Partager satria tiako ianao

Commenter satria tiako ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY TOKY