4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Saika anjara - NY TOKY

SAIKA ANJARA

1-Lasa saina foana aho raha mahatsiaro ireo lasa niainantsika taloha
Na ny alina alohan'ny atory, eny na maraina vao mifoha
Adiady kely niserana no nandravatsika ilay fitia
Tsy ho nenina akory ireny fa mba mahatsiaro ny aty

fahatsiarovana sisa no indro mitoetra
samy nanome izay mamy , avy aminy rehetra

FIV : saingy :
ny omaly tsy mba hiverina intsony
ankehitriny ny foko tsy mba mety ho tony
fa izay izay rehatra atao
ahatsiarovako anao hatramin’izao

2-Mitamberina ato an-tsaiko foana ireo hadalana niainantsika roa
Ilay nahitako anao voaloha, lasa vakoka ato an-tsaiko avokoa
Hasambarana nandalo ihany , ilay fitia toa lasa tantara
Iza moa no nanampo fa ny antsika anie saika anjara

fahatsiarovana sisa no indro mitoetra
samy nanome izay mamy , ilay fitia nanam-petra

FIV

FIV
hatramin’izao
mbola tiako ianao


Partager saika anjara

Commenter saika anjara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe NY TOKY