4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy takatry ny saina - Ny Mazava

Misaotra Anao 'zahay, misaotra Anao 'zahay ry Ray,
Midera Anao amin'ny fo sy fanahy;
Fa tsara ny fitiavanao, lehibe ny hasoavanao,
Atobakao isan'andro ho anay.
Tsy tratry ny fahaizanay, na ny fahalalanay
ny Fahendrenao sy ny Fitiavanao.

Na ny masoandro na ny rivotra omenao
dia fitahiana ho anay voaarinao.
Tsy takatry ny sainay, ny fitahianao Ray,
ka isaoranay, isaoranay Anao.

Eny na andro iray aza tsy omenao,
ho aiza moa izahay tsisy azonay atao.
Tsy takatry ny sainay ny indrafonao Ray
ka isaoranay isaoranay Anao.

Misaotra Anao 'zahay, misaotra Anao 'zahay ry Ray;
Midera Anao amin'ny fo sy fanahy;
Fa tsara ny fitiavanao, lehibe ny hasoavanao,
Atobakao isan'andro ho anay.
Tsy tratry ny fahaizanay, na ny fahalalanay
ny Fahendrenao sy ny Fitiavanao

Na fahoriana aza no lalovanay,
'zay fisedrana entinao hanefy anay.
Tsy takatry ny sainay ny fitondranao Ray,
ka isaoranay isaoranay Anao

Na ady sarotra aza no atrehinay,
tsapanay foana fa Ianao akaiky anay.
Tsy takatry ny siainay ny fiantranao Ray,
ka isaoranay isaoranay Anao.

Partager tsy takatry ny saina

Commenter tsy takatry ny saina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Mazava