4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lanitra mangamanga - Ny Antsaly

fiverenana :



Ny lanitra mangamanga o o

Saronan’itony rahona o o

Andeha re mba ho any e e

Fa any no fitoeran’ ny hasambarana



Fa na izaho na ianao mandalo fa mpivahiny

Tsy misy honina eto

Ka aoka mba hifamela ry Anona



Ny adiady fahiny, aza mba atao lonjony

Ny ravin-kazo nanintsana

Ny sisa no ampaniriana ry Anona



Raha sendra ka velon-tsento, namoy izany havan-tiana

Tombon-dalana re ny azy

Isika aza mbola ho any ry Anona



Raha mila ka tsy ho zaka ny fahoriana mihatra

Ankino amin’ny Zanahary

Fa izy no fiononana ry Anona



Ny lanitra mangamanga fodian’ny olo-marina

Fitoeran’ ny hasambarana

Tsy misy ny fisentoan’ny eto an-tany



Raha mikitroka izany lalana, takon-drahona re ny volana

Aza manary toky

Mbola ho avy ilay mazava ry Anona

Partager ny lanitra mangamanga

Commenter ny lanitra mangamanga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Antsaly