4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Asio fanajana - Nina's

Fa nahoana moa no manao toy izany
Efa manana ny anjara mbola mitady any an-kafa indray
Sa hoe misy ny lalàna manery manambara tsy maintsy mampirafy ny lehilahy
Ataoko angamba diso ianao manamarina an'izany

Mba esory ny toe-tsaina hoe tsy lehilahy raha tsy mampirafy
Na koa menatra ny atao hoe mataho-bady tsy izay azafady
Fa fitiavana akory tsy hoe atao kilalao ka hifanambaniana tsotra izao
Fa raha izay no manao izany mety tsy ho zakanao

Ref:
Na izaho vehivavy na ianao lehilahy mahatsapa maharary ampirafisina
Tsy misy fo vato fa samy nofo aman-drà
Aleo ihany asiana fifanajana, diniho ihany izay hiafarana
Fa raha ny fahafinaretana an-tany tsy mba ho lany.

Teotra tsy feno fanajana io ka tokony ialana
Ary toetra feno fitiavan-tena ka tsy azoko ekena
Na vehivavy io na lehilahy misedra fankam-panahy
Itovizana io fa tsisy hafa
Fa nahoana izahay no atao anontany fa ianao mahazo mampirafy.
Aza faly maka tahaka ny ratsy ataon'ny hafa
Fa izay tianao hatao ihany koa no hatao amin'ny hafa
Laha izay no ataontsika dia tsy hisy tomika
Fa hilamina ny fiainantsika
Raha ianao no mbola be vava, ny hiafarany ho rava.

Ref:

Na izaho vehivavy na ianao lehilahy mahatsapa maharary ampirafisina
Tsy misy fo vato fa samy nofo aman-drà
Aleo ihany asiana fifanajana, diniho ihany izay hiafarana
Fa raha ny fahafinaretana an-tany tsy mba ho lany.

Partager asio fanajana

Commenter asio fanajana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nina's