4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zanak'iza? - Nantenaina

Zanak'iza ary ireto miadiady lava ireto?
Zaza kamboty velon-dRay,zaza kamboty velon-dReny!
Mifamono mifandratra,mifanipaka ,mifandaka,
Zanak'iza ary ireto miadiady lava ireto?

Tsy maraina tsy atoandro mifamono mifamango,
Zanak'iza ary ireto miadiady lava ireto
Tsy mifidy vava avoaka,indraindray aza toa tafahoatra,
tsy mifidy vava avoaka fa mba taizan 'iza loatra

Olon-kafa tetsy ampita no nirotsaka nandrava,
f'efa tofoka ny mahita ireto zaza miady lava

Tia Tanindrazana hono,nefa Mpirahalahy mifamono
Zanak'iza ary ireny moa ve misy Ray sy Reny?
Toy ny liona eny an'ala,bibidia ngôdabe lasa adala,
Mpandrava efa toy ny lambo,mamba noana miseho masoandro!

Pôlitika izao no mandidy,ny vahoaka tsy manan-tsafidy
ady seza sy fitiavan-tena no mandredrika ity firenena.
Mifamono mifandratra ,mifanipaka mifandaka
lonilony tsy hay fefena no mandredrika ity firenena

Olon-kafa tetsy ampita no nirotsaka nandamina
f'efa tofoka ny mahita ireto zaza mpiady hanina!

Maninday e! Barikadimy voasazy na dia ts'isy tsiny,
lasa kianja pôlitika ireo sekoly ambonin-tsika!
Mihotakotaka indray ny tanàna,Mahamasina Tsaralalàna,
Mahonena ny mahita Firenena tsy mety tafita

Herikerika mahatondra-drano ,ady seza nampiditra angano,
herisetra tsy hay fefena no mandredrika ity firenena
Fahantrana miavosa i Gasikara mba tsinjovy kosa e!
Zanak'iza ary ireto miadiady lava ireto???????

NANTENAINA

Partager zanak'iza?

Commenter zanak'iza?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nantenaina

Suite