4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mpankafy - Nantenaina

Tsy mba mpiasam-panjakana ,tsy manana bureau fiasana,
fa feon gitara sy kabaosy no entinay mitady saosy.
Tsy manam-bata feno harena na Bolabolan'Andramena
fa tonon-kira tsara rindra no lova azonay hafindra.

Ny hirako iainana sy mampiala voly
mitondra feo mandritsoka sy hamolivoly.
Ny foko sy ny saiko no indray nifandrindra
namorona ny tonony izay tena tiako inndrindra.
Ny foko sy ny saiko no indray nifandrindra,
,namoaka iny feony iny izay mamiko indrindra.

Heno hatrany ampiangonana sy ireo fety aman-danonana
hatreny ambony alitara misy feon-kabaosy sy gitara.

Tsy manam-basy fitifirana na Fahefana famikirana
fa ianareo Mpihaino Mpankafy no vatolampin'izy ity
Raha misy hevitra hampitaina ny hira azo ampiasaina
Mampifalifaly fo ny mitantara fiainan'olon droa
mampifalifaly fo anie ny ilay tantaram-piainan-tsika roa.

Ny hirako fitaovana ho entina mitolona
hamaha ireo olana mpangeja ny olona
Ireo disadisa tsy hita isa hisolo paradisa
ho tretrika ,ho sambatra ny ambany lanitra.

Zovy moa no hianteherana rehefa tojo fahanterana
ô Ry Mpihaino Mpankafy mazamazana ny dia.
Raha hitsahatra ny fo ny vatana dia mety ho lo
fomba fanao hatrizay ny fametahana médaille
dia tonga hametaka médaille ireo olobe Mpitondra anay.

Ihira aho ihira ihany hatreto ka hatrany
na ory na faly raha mbola eto an-tany
Raha sakanana aho ka tsy havela ,tsy havela hanao izany
aleoko mody any ankoatra ho lasa vovon-tany.

NANTENAINA Antananarivo 24 SEPT 2014
Ry Mpankafy ny hirako,

Ho fintiniko aminao ny fiainan i Mpanakanto iray toa ahy.
Miezaka ny mikaroka ny kanto toy ny hira sy ny feony no andanianay ny andronay,mba hamalifaly sy handrotsirotsy anareo.
Mitombo isa hatrany ianareo Mpankafy ary hisaorana betsaka anareo izany.
Rehefa mitombo ny taona ka tonga ny fahanterana dia mihena ny hery sy ny fifaneraserana aminareo,Manomboka mazana ny fiainana ........ Ary rehefa tonga ny andro handaozana ity tany ity dia matetika tsaroana tampoka ny artiste ,Maro ihany izay artiste nalaza nahazo mari pankasitrahana sy mari boninahitra natrehiko nandritra ny fandaozan izy ireo ity tany ity izay ,anisan izany ohatra Jean Freddy tany Fenerive Est,Raoul Mahaleo,Zeze Mahanoro tany Toamasina,ary omaly alina dia maro izahay Mpanakanto tonga tetsy amin ny Gymnase Mahamasina nanotrona Mpanakanto namana Rasoakininiky izay nodimandry tamin ny, lozam pifamoivoizana.Tonga niaraka namangy taminay koa ny minisitra tompon'andraikity ny kolon-tsaina ary dia notolorana mari-boninahitra i Rasoakininka

Partager mpankafy

Commenter mpankafy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nantenaina

Suite