4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Inona no atao? - Nantenaina

Ilay zavatra fanao famenon ny karama
voalaza fa hoe voararan ny lalàna.
Ny tena anefa valaka avy tam-piasana
ka tsy afaka manao asa an-tselika intsony.

Ilay valin katsembohana raisina isam-bolana
folo andro monja no maha vaha olana,
ka inona no atao?Hitrosa sa hangalatra?
Sa ve hamidy ny seza sy latabatra?

Ilay tsipitsipy kely fapetraky ny akama,
voalaza fa hoe voararan ny lalàna
tsipitsipy kely karazana kadoa(cadeau)
tambina karama vokatry ny fo

Mazana ny fiainana ka maro ireo solafaka,
manita-tsaina f'efa leo karama vary masaka
miantsoantso anao miangavy an tanan-droa
ny farimpiainany e!mba tsinjovy ihany koa
ny farimpiainany e! HASONDROTY IHANY KOA!

Kaozatina ny ankizy,miha mahia i Madama,
ny fiainana midangana toa tsy azo ialana
zary mahazatra ny sosoa mitapo-drano,
miharitra an izany daholo ny ato an-trano

Voatabia,tongolo ,saosisy hena ritra ,
lafo vidy ireny ka fety vao mba hita
nefa ilay zavatra mameno ny karama
natsahatra fa hoe voararan ny lalàna.

I Ramatoa Ranaory kizitina aok'izany
raha vao taratara ny fandoavana hofan trano
teny maharary mampirotsaka tomany e!
mafy ny fiainana mahery ny alon-drano

Mirongatra ny aretina manao tsindrio fa lavo,
Tambavy Tapa-kazo no hisedrana Tazo.
nefa ilay zavatra mameno ny karama
natsahatra fa hoe voararan ny lalàna.

NANTENAINA: Anisan ny mahatonga ny olona iray hanao tsolotra
ny tsy fahampian ny karamany,ka tokony ho jerena ihany ny farim piainan izy ireo fa tsy vaha olana ny fanasaziana be fahatany

Partager inona no atao?

Commenter inona no atao?

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Nantenaina

Suite