4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hatraiza - Marion, Asaph

Ianao no mibaiko amin'ny asa ataonay ry Ray
Eny Tompo ô! na sarotra aza io natombokay
Mba niandry ny mazava hiposaka indray izahay
Fa ny asan'i Satana mandratra
Ho kivy ê! izahay

Ref: Eny Tompo ô! aiza Ianao
Tafio 'lay herinao
Fa reraka izahay, manjary nangatsika
Aiza Ianao hatanjaho
Ny foko eny hafanao
Be reo ratsy fanahy
Aza avelanao ho kivy

Ry Tomponay tsitoha, tolory ny tananao aho
Satria mba ho aiza moa? malemy aho
'Lay ratsy te hamotika hatrany
Fa reraka izahay, mihakivy koa indraindray
Ny mpanenjika no indreo manakora
Ekeko hoe rahatrizay 'lay ho avy tsy mampanahy
Fa mafimafy nefa izao tsy azo atao hoe mora

Ref:........

"Tompo ô! aiza Ianao fa mafy ny adinay
ndraindray toa lavo
Avoty amin'ny tanam-pitiavanao
Mba tsy ho potraka ao
Ndrao ho faly amin'ny fahavoazako ny fahavalo
Fa ho mandresy aho dia hitraka
Hahita ny voninahitrao"

Partager hatraiza

Commenter hatraiza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion, Asaph