4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza miherika - Marion

Misy 'reo sahy milaza aminao any omaly ho any
'Zay milaza ny azy no tena mamy
'Zay fitia vao mba nitsiry omaly iny ve
No avelanao hijoro sy handresy
Zava-poana taminao 'reny 'ngaha ny antsika ireny
Nefa anie fa tena mba namoa
Tena sahy mihitsy ianao
Vonona ny handao
'zaho tavela teo fa voa
(Tsy hitana anao baby)

Aza miherika intsony
Raha efa tofoka ny fo
Tsy anjara koa ny antsika roa
Aleo hionona aho fa voa
Handroaka ny entako ihany koa
No tena anton-diako
Ny alahelo anao
Ny tsiaro anao
Tsy hamoizako ny fo
Tsy ataoko hahakivy ahy

Mbola be dia be ireo olana sy adidy 'zay miandry any
Raha ianao no dify tsy ataoko hahakivy izany
Tsisy neniko ireny
'Zay mamy taminao koa dia tavela
Tsisy afa-bela
Mba hitsinjo ny ho aviko ihany koa aho
Mandehana re f'aza manahy
'Lay ho avy no jereo
Ny amintsika no hatreo
'Zaho ihany koa efa leo

Dia aza miherika...

Tsy ataoko hahakivy ahy
Fa ny aty dia tsy mitazona intsony

Dia aza miherika intsony
Tsy anjara 'ngaha ny antsika roa

Dia aza miherika...x2

Partager aza miherika

Commenter aza miherika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion

Suite