4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zanako vavy - Mahaleo

Andeha ianao ry zanako vavy
F'efa io ilay fanilon'ny andronao ho avy
Andeha ianao ,andeha ka mahereza
Ny tokantranonao no iriko hateza
Ny masoko raha toa manganohano
Tsy tomany na alahelo fa andon-tso-drano
Hifarana eto ny anay ny adidy ,
Lehibe ianao ka tompon-tsafidy
Andeha ianao lasan'iny olon'iny
Tsy fantam-pototra mpandalo mpivahiny
Andeha ianao ianao ilay tsy sarako
Hanadino ahy hanadino ny anarako
Aza mieritreritra fahasarontam-piaro
Samy tia anao izahay nefa fitia tsy azo afangaro
Fa izahay no tany naniriana
Mahararirary na tiana na tsy tiana
Andeha lala o o o andeha lala o
Mpindrana izahay fa tsy natao ho tompony
Andeha lala o o o andeha lala o
Ny mamy lasany fa ny anay dia ny fofony
Andeha ianao ry zanako vavy
F'efa io ilay fanilon'ny andronao ho avy
Andeha ianao andeha ka matokia
Enga anie ka tsy ho sampona ny dia
Ny reninao aza avela hangina
Fa efa nisostro ny rano tsy tiana o o
Raha mibaliaka ny fitiavanao anio
Ireo nahary mba tsiditsidiho
Omeko anao ho anao ry tovolahy
Ity harena tokana sy sarobidy ho ahy
Omeko anao f'izaho tsy ho sarotiny
Nefa mba amelao fitia potipotiny
Izahay tsy mitady vali-babena
Fa io fitiavan'io no aza avela hihena
Fa raha ts'izany dia ahatsiaro ho kamboty
Toy ny mpamboly tsy afa-mioty
Andeha lala o o o andeha lala o
Voatery hangina na tsy mahafoy
Andeha lala o o o andeha lala o
Raha misy mahaory izany 'zahay no antsoy

Partager zanako vavy

Commenter zanako vavy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite