4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ministra - Mahaleo





                  

Tao an-tsekoly, izaho no Gisitra,



Matetika faran’ny lisitra,



Faniriako ’nefa, ny ho lasa Minisitra;



Ka i Bado sy Dondrona no ataoko Direkitera,



’KalaSoa, Sekretera Paritikiliera,



Ireo Mahay, raha azoko, ataoko Saofera;



Fa i Koto, Letinako fahiny,



Mahazo ny toerana iriny,



Ho tretrika sy faly,



Fa Sekretera Jeneraly;



Mitsangana ary ’ty Minisitera,



Mitsinjarazara ho Vaomiera,



Hanatontosa, ny Hafokana lany Era!



Ireo Tary somary Manky Visy,



Hataoko Sefo Serivisy,



Handinika, ny Hadalana rehetra misy;



Vaomieran’ny Enti-mody tsy vita,



Vaomieran’ny Fitaovana tsy hita;



Vaomieran’ny Habadoana,



Vaomieran’ny Hakamoana.



Ireo Mpampianatra nanambanimbany,



Ny Tale, anisan’izany,



Hampindreketoko, Ampamafana tokontany;



Ireo "surveillant" kosa,



Nanao izay hahakanosa,



Eny anjoron-trano, Mandohalika! Hanala trosa;



Fa ny anay ts’isy azo rarana,



Fifohan-tSigara, fisotroa-Mafana,



Fa Fakan-drivotra lava,



Rehef’avy eo samy mibaraka, dia samy mirava;







Ireo Vehivavy ’zay namingavinga,



Niseho ho favy, niseho ho kinga,



Ampiriatiko, ts’ary avelako rah’ tsy mandringa;







Ireo Lehilahy tsy resiko, fa mafy be,



Tsara bika, manan-tsaina, tsara tareh’



Rah’ vao mitrena, "allez! affecté..."







Fa ny Minisiterako, dia Sekoly Tsy Miangatra,



Fa ny Ambony Haforitra, ny Ambany Hasandratra,



Ao Amiko no TENA HITRANGA,



’Ty dradradradraina hoe FITOVIAN-TSARANGA!

Partager ministra

Commenter ministra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite