4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Lemizo - Lôlô sy ny tariny

Lemizo
Satrin'i Lemizo a,
Mba ho any Texas é,
Hitaingin-tsoavaly a.
Any a Zamerika é
Manjaka toa mpanjaka
Ny mpilalao basy a.

Izany no mba nofinofiny
Avy any anaty aloky ny Cher-fréra-
N'Ambodin'andohalo a

Tananan'i Lemizo a
Ka efa mba nataony
Ho toy ny Texas a.
Any Andavamamba é
Manjaka toa mpanjaka
Ny mpilalao antsy a.

Tsy azo lalovana hariva anie
Ny eo antetezan'ilay Bekiraro
Fa mety mahafaty a. (2)

Ny vovon'i Lemizo a
Ka vitany amin'ny daba a
Miampy fehim-barika é.
Rahoviana ka rahoviana
Ny any andavamamba
Ho toy ny zamerika é.

Tomany, tomany i Lemizo anie
Ka nampalahelo ka nampalahelo
Ilay akama kely a
Miakatra, miakatra ny rano anie
Ambany tetezan'ilay Bekiraro
Ka tondra-dranomaso a.

I Dadan'i Lemizo a
Mitondra dilizansy é.
Eny Anosibe.
Mahafinaritra azy
Ny mitondra voiazera a.
Manao taingim-be.

Fa saingy ilay dilizansy anie
Ka miadam-pandeha fa tsy ampy sakafo
Ireo soavaly roa a.

Indray maraina izay a.
Voalako i Lemizo
Voalakon'i Dada.
Fa tratrany nitondra a
Nitondra soavaly
Soavalim-boatiry é.

Soavaly anie ka antom-pivelomana é.
Fa tsy rendrarendra, fa tsy rendrarendra
Toa ny any Texas a.

Satrin'i Lemizo a
Mba ho any texas é.
Hitaingin-tsoavaly a.

Partager lemizo

Commenter lemizo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lôlô sy ny tariny

Suite