4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ilay akanjo fotsy - Lôlô sy ny tariny

Ilay akanjo fotsy tsy nanaovanao
Raha tsy andro alahady
Iny indray izaho f'itafianao
sanatria toa mpanambady

Kanefa anie, Mitoetra anaty rahona any
Izaho re tavela irery eto antany
Tomanin'alahelo Migoka ranomaso ô ô ô

Voninkazo mena eo an-tratranao
Raozy kely saro-bidy
Toa an'iny anie no saika nomeko anao
Raha toa isika roa nivady

Indrisy re fa ny alahelo anao no sisa
Ho tonga eo hameno ora maro isa
Mandra-pahatongako eny akaikinao a ô ô ô

Volana tantely rakotra fanala
No mba hany anjaranao
Ny fitiavantsika tsy misy nahalala
Vao mba tonga dia nandao

Oviana moa ianao nihazakazaka
Raha vao mba nahita ahy tonga any lavitra any
Oviana koa ianao niteny mora hoe
Andao isika hivady nataoko vazivazy ô ô ô

Indro ianao matory mandry fahizay
Tsy mihaino hira intsony
Voninkazo kely saika mba haniry
Kanjo tonga ny havandra

Partager ilay akanjo fotsy

Commenter ilay akanjo fotsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lôlô sy ny tariny

Suite