4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raozy - Lalao Rabeson

Ireto no raozy notoazako omaly
Atolotro anao
Mba ho porofon’ny fo falifaly
Satria tratr’izao
Ny pika fehezan’ny fanambarana
Ny fo mifandray
Fo mifamatotra tsy azo vahana
Fa mandrakizay
Ny vonin’avoko niniako nalaina
Natao mavomavo
Fantatro mantsy ny zava-kasaina
Fa soa maharavo
Ny marigerity mba tiako ho hita
Tanatin’ny maro
Fa io no mitondra fiteny miampita
Ka fantampantaro
Ny vonin’avoko niniako nalaina
Natao mavomavo
Fantatro mantsy ny zava-kasaina
Fa soa maharavo
Ny marigerity mba tiako ho hita
Tanatin’ny maro
Fa io no mitondra fiteny miampita
Ka fantampantaro
Ny violety dia manaporofo
Ny fo tsy zaraina
Sady mitory fitia tsy mba miofo
Ka tena lalaina
Ny vonimboasary dia tiako dia tiako
Ka aza simbaina
Fa io no fototr’izay ato am-poko
Dia fanantenana

Partager raozy

Commenter raozy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lalao Rabeson

Suite