4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Maritiora - KTZo

1-Nalatsa-drà ka nahonena
'Reo maritioram-pirenena
Nikiry mafy tsy nivena
Nitaky fahaleovan-tena
Indrisy ankehitriny mihavohageza
Miady an-trano miady seza
Adino atreho izay nitolomana
Hazona soa iombonana

Fiv:Moa very maina ve ny rany
Anjaran-tsika no mamaly
Ô mba nitondra fihovana ve
Reo ain'ny maritiora ireo

2-Nalatsa-drà ka novoinona
'Reo maritiora ny finoana
Nijoro hatrany tsy niroana
Nitondra hazavam-panahy
Indrisy ankehitriny miharatsy
Fa maizin'ny karazan-tsampy
Natao zohy ialokalofana
Ny anaram-piangonana

3-Nalatsa-drà voaviravira
Ny Lahy Matoa ny maritiora
Jesosy ilay Mpanjaka tia
Hamonjy antsika very dia
Jereo fa eso latsa fijaliana
Niaretany ny fihafiana
Ho soron'ota ntsika olona
'Zay vonona hiova fo

Fiv(2x)

KTZo FPVM Antaninanandrano

Partager maritiora

Commenter maritiora

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe KTZo