4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Injay ny feonao - KTZo

Injay ny feonao mibitsika ao am-po
Miantso moramora ahy mba hankato
Mahamelovelo manao hoe avia
Ô ry ondry izay mania

Be ny fahotako maro vitako
Tsy voahisa intsony mila hamaky fo
Kanjo injao Ianao misento no izaho
Tia re aho ka mba vahao

Inty aho Tompo,raiso aho e
Vonona hanompo, ary hanome
Na ny herim-poko
Ny herin-tsaiko koa
Ampiasaiko ho Anao Jeso

Raha mbola eto an-tany re ny zanakao
Tsy hilaozan'ota sy fankam-panahy
Ndrisy menatra aho hiatrika Anao
Ny heloko re avelao

Inty aho Tompo,raiso aho e
Vonona hanompo,ary hanome
Na ny herim-poko
Ny herin-tsaiko koa
Ampiasaiko ho Anao Jeso

Ankehitriny raiko mba henoinao
Fa asandratray ho tonga any Aminao
Ny voady sy ny dina vaovao
Vonona aho mba ho Anao

Inty aho Tompo,raiso aho e
Vonona hanompo,ary hanome
Na ny herim-poko
Ny herin-tsaiko koa
Ampiasaiko ho Anao Jeso(3x)

Partager injay ny feonao

Commenter injay ny feonao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe KTZo