4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mivavaka ho anao - HOSANA

Ho anao izay manana olana saro-bahana

Tsy mahita atao

Mazana alaim-panay voatari-dalana

Hanompo zavatra

Lay hazo fijaliany no aoka atrehinao

Fa teo no namahana

Izay rehetra toa anao

Izahay mahatsiaro anao

MIVAVAKA HO ANAO



        Ny tanan’ny Tsitoha

        Atsotrany aminao tokoa

        Mahazo manantena ianao

        Fa tsisy zava-tsy hainy atao

       Tafiotra io aza moa

       No izy dia nangina koa

      Tsy irery akory ianao

      MIVAVAKA HO ANAO



Ho anao ilay niova fo

Fa resy lahatra amin’ny filazantsara

He sambatra ianao fa ny ao an-danitra ao

Mifaly aminao

Ny vavaka no ataovy tsy mitsahatra

Ka mifahara tsara

Tsy irery akory ianao

Izahay mahatsiaro anao

MIVAVAKA  HO ANAO



     Dia faly ery ny Ray

     Fa hita ilay very hatrizay

     Voasoratra ny anaranao

      Ny lamba soa no atafy anao

     Ny fitahiany anie

     Hameno anao na aiza aleha

     Tsy irery akory ianao

     MIVAVAKA HO ANAO




Partager mivavaka ho anao

Commenter mivavaka ho anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HOSANA