4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamèla ny heloko - HOSANA

Eto am-pototrin’ny hazo fijalianao

Niaiky aho fa nania tanteraka

Mahavery ahy ity zioga ity ka mba alao

Vonjeo aho Jesoa fa reraka

Zao vao latsaka ao am-po’reo hanatranatrao

Injao koa hatrizao mbola henoko,henoko

Tambitamby hiantsonao’zay mavesatra entana

Inty aho mamèla ny heloko



Fa leo ny asan’ny maizin-dava

Tsy mba maha-vokatsoa

Mba te ho isan’ireo mazava sady voaova fo

Raha izao aizina izao no maharitra

Aiza ho aiza ahy intsony ny lanitra?

Mba sitrano aho ahitako ny voninahitrao



Soa ihany Ianao mbola mitsetra

Tena mangoram-po

Ndreo ny aretiko rehetra

Tompo ô hifonako

Faharatsiana izay nafafy hatram’izay

Aoka hajanona hatreo f’efa ampy zay

Tsy te hierika intsony ka dia manantona Anao

Hinoako fa na sombiny aza avy @ ny ranao soa

Izaho Jesoa dia sahy milaza

Fa mahavonjy ahy tokoa

Hahavita inona ho ahy ny eo an-tanako?

Ny mahavonjy ahy dia izaho mino Anao

Hanaraka Anao ô!!


Partager mamèla ny heloko

Commenter mamèla ny heloko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe HOSANA