4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny lamaody - Henri ratsimbazafy

Ny akanjo lava hono tsy tsara,
ny fohy anefa voarara,
dia lazaina fa hoe ratsy koa
raha ny vavy no mipataloha

            Ny zatovolahy lava volo
            dia lazaina fa tsy maoty daholo,
            ary henatry ny mpianakavy
            fa tsy fantatra na lahy na vavy.

Ref.
Inona e
ny atao ankehitriny
ka tsy ananan-tsiny
Mba lazao hoe

Moa ve
ireo mpananatranatra
no tena mba filamatra
Mba lazao hoe :

Raha samy manana ny tiana,
ny safidy moa sora-jandiana,
Moa ve ny tena fahendrena
tsy ny manao 'zay hahasoa ny tena ?

Partager ny lamaody

Commenter ny lamaody

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite