4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Anao no nindramiko - Henri ratsimbazafy

Fa na talenta, na fahaizana, na saina,
sy izay rehetra nentiko ho nampiasaina,
dia voninahitrao
na dia toa kilalao

fa tsy misy na iray aza avy amiko
fa ANAO ireny NO NINDRAMIKO.


            I -
            Ny fiainako manontolo
            hatramin'ny elabe,
            dia narindranao daholo
            na taiza no naleha,
            ka ny hany holazaiko,
            ny azoko hatao
            dia izay takatry ny saiko
            no isaorako Anao


            II -
            Ny tongotro aman-tanako,
            ny feo, ny maso koa,
            izay lazaiko hoe fananako
            dia avy aminao avokoa.
            Ka n'inon'inona lazaiko
            n'inon'inona hatao
            dia tsy vokatry ny saiko
            fa fanomezana avy aminao.         .


III -
'Zay rehetra nomenao ahy
na ny saina, na ny fo,
na ny tena, na ny fanahy
mba hamasino avokoa
Mba oneno re ny foko
tena ho tempolinao
ary dia Ianao no antsoiko
n'inon'inona atao

                        IV -
                        Dia iriko mba hitohy
                        'zany fitahiana izany
                        na ho lava na ho fohy
                        ny androm-piainako eto an-tany
                        Mba omeo ahy ny hery
                        sy ny toky avy aminao
                        fa raha izay izaho irery
                        tsy hahavita izay hatao.

Partager anao no nindramiko

Commenter anao no nindramiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite