4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nanonofy nofinofy - Gangstabab

Nanonofy aho hoe indray andro any
Tsy hisy tsony mpritsindroka fako masiso
Fa ny zava-misy aloha ny hohanina androany
Mbola ho tadiavina rahampitso

Rano fisotro madio tsy misy
Ny lava-piringa tsy manana
Dia teren’ny zava-misy
Dia avy eo dia mifitra @ tànana

Mahamenatra ny soratra hitanareo
Tsy hay afenina fa miharihary
Hoe daroka be eo no ho eo
Miampy dina 5000 ariary

Nanonofy aho: saka raiben’ny hataka
Mpanjakan’ny maloto totofana
Nanonofy aho hoe tsy misy intsony mpangataka
Tsy misy intsony tsy mana-kialofana

Nanonofy aho hoe foana ao anaty voambolana
Ny fitenenana hoe fotoan-gasy
Nanonofy aho hoe milamin-tsaina tsy manana olana
Ny vahoaka Malagasy

Nanonofy aho hoe fiara mpitatitra eto an-tanàna
Lasa mahay tsara ny lalànan’ny làlana
Nanonofy aho hoe lasa manara-dalàna ny mpitondra fanjakana
Sy ny mpivarotra eny amoron-dàlana

Nanonofy aho hoe lasa metro sy tramway
Ny bus sy taxi-be
Dia falifaly hono ny gasy tam’zay
Eeeeh! …….. enga anie

Nanonofy aho hoe foana ny sarety sy ny pousse pousse
Lasa lamasinina haingam-pandeha
Nanonofy aho hoe nivoatra ny taxi-brousse
Lasa RER tsy mandoa frais

Nanonofy aho hoe foana ny kolikoly
Nanonofy aho hoe mandry fahalemana ny tany
Nanonofy aho hoe mitombo ny miditra an-tsekoly
Foana ny dahalo, jiolahy sy ny ohatrohatran’izany

Nanonofy aho hoe tsisy tsony mena ambonin’ny mena
Ny rariny sy hitsiny tsy avela hangina
Nanonofy aho hoe nihena ny isan’ny mpivarotena
Fa tsy mitombo an-dàlana toa dian’Andriana

Nanonofy aho hoe tsy intsony mpisolelaka am vazaha
Mivavaka sy minono am vahiny isak’izay mandeha
Tsisy intsony trosa manandevo, esclavage permanent
Tsisy tsony gasy manana complexe de colonisé

Nanonofy aho hoe tsy ilaharana ny visa rehefa ho any Pars
Ny gasy tsirairay ho any an-dafy hahita ny patiny
Nanonofy aho hoe hiverina ho antsika ny îles éparses
Fa tsy hangetaheta ambony lakana sy tompony mangataka atiny

Nanonofy aho hoe tsisy intsony fanavahan-tsaranga
Tsisy intsony hi hoe ambany tanàna
Tsy sokajiana hoe tsalo matsatso, na bômaka mamy hena
Na taranaka hova, na ngitakely avo razana

Nanonofy aho hoe tsy mameno paosy ny mpitondra fanjakana
Ary tena olona vaovao no manao pôlitika
Nanonofy aho hoe mihaino an’ity vazo ity ny manam-pahefana
Dia ny ady seza ho ministra tsy ho toy ny ady alike

Nanonofy aho hoe tsy resy lava intsony ny Barea @ compétisionina
Satria izay foana mantsy no atao resaka
Hoe rafotsiba mampinono ny Federasiona:
Nono tsy misy fa kiry no betsaka

Nofinofy ihany izany ho an’I Madagasikara:
Nofinofy ihany izany ho an’ny dimby sy fara
Nofinofy ihany izany fa saka ve hanatody? Akoho ve hilomano?
Trondro ve hivoavoa? Ary omby ve hikiky taolana?

Ny vatsy: mba hena matavy hatramin’ny tsoka
Tsy olana atao be fitetika
Ny gasy: mba tsy ho lambolahy mitsako moka
Ka hoe sitrany ahay vaza-mihetsika

Nofinofiko? Mba ho andrianiko ny teniko
Ny an’ny hafa koa feheziko
Ho fantariko ny taniko
Ny an’ny hafa teteziko

Mba ho ampy roa volana dia tsy ho tara
Ny karama iray volan’ireo farahidiny
Mba fahatelo avy any am voalohany Gasikara
Fa tsy faharoa avy any am gidany
Hiasa am-pahamarinana ny olom-boatendry
Am’zany fotoana izany
Ary ho tonga ilay mpitondra Hendry
Alohan’ny hialako eto an-tany

Teny zato, Kabary arivo
Fa tokana ihany ny marina!
Ny marina tiana ambara
Dia izao! Izao no tsiahivo:
Nofinofy mbola sarotra hamboarina
Ny ho avin’ity Gasikara

Teny zato, Kabary arivo
Fa tokana ihany ny marina!
Ny marina tiana ambara
Dia izao! Izao no tsiahivo:
Nofinofy mbola sarotra hamboarina
Ny ho avin’ity Gasikara

Diso ianao! Izaho milaza fa diso anao
Fa mbola misy ny fanantenana, ny fahasambarana, ny fahasoavana
Anjara masoandro, anjara tandrify, ny andro maraina, ny andro mamiratra
Diso ianao! Zà milaza fa diso ianao
Fa mbola misy ny fanantenana ny fahasambarana, ny fahasoavana
Anjara masoandro, anjara tandrify, ny andro maraina, ny andro mamiratra

Ohohoh…

Diso ianao, diso ianao, diso ianao

Ohohoh…

Partager nanonofy nofinofy

Commenter nanonofy nofinofy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Gangstabab