4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny zanako - Erick manana

Ny zanako mantsy ka zanako
Izy no hany fananako
Izy no tompon'ny aiko
Mpadidy sy tena mibaiko

Nilomako rano tsy tiana
Namoizako ireo fifaliana
Niankinako rindrina irery
Fa tsy nilako mpijery


Ny zavatra vitan'ny tanako
Dia nataoko mba ho an'ny zanako
Ka na inona loza mihatra
Ny zanako tsy mba hahantra
Aina avy amin'ny aina
Ka tsy afoiko, tsy afoiko ferin'aina.

Partager ny zanako

Commenter ny zanako

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Erick manana

Suite