Paroles de Chanson Malgache sur GasyKaManja - Tononkira malagasy

Rechercher chanteur ou groupe : Titre :  Ajouter une parole de chanson

Erick Manana Mbola ho avy

Titre de la chanson : Mbola ho avy
Nom de l'artiste : Erick Manana
Mbola ho avy ny andro hahatsiarovanao ahy
Amin'ny ora tsy ampoizimpozina,
Mbola ho avy ny andro hampahory ny fanahy
Hembona ahy ianao ka hiodinkodina;

Mbola ho avy ê irony nenina ê
Hitsako ny hadalànao, hangidy izay telina ê
Mbola ho avy ê, hangifiry be
Efa tsinjoko hatrety sahady fa ho ranomaso be

Mbola ho avy ny andro hanakoako an-tsofinao
Ireo dinantsika izay kosehinao
Mbola ho avy ny andro hivatsy ny famerimbolanao
Hohitanao ihany izany ngidiny a

Mbola ho avy ê tsaroako tsara anie
Fony aho nilaozanao anie ka nahatsiaro fanina ê
Mbola ho avy ê, tsy ho ela akory anie
Mbola higoka ianao ny ngidin'ny ranomaso nateliko ê.

Les autres chansons de Erick Manana

Page : 1 page 1 / 13
Nombre de chansons [ 62 ]
Page : 1 page 1 / 13
  • Mitsonika aminao

  • Izay ratranao dia feriko

  • Tsy ferana

  • Tsy ferana

  • Mitsonika aminao

  • Ry arivo tsy foiko

  • mbola ho avy

  • Aza hilaozana ianao

  • Marary fa tsara

  • Feom-baliha tokana

  • 2CV-dRandria

  • O Rakoto

Publicite