4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raiso aho - EL'MICH

Aza mandrotsa-dranomaso ,
Hoy ianao hoe 'matokia'.
Tsy very namana ianao
fa aza mitanondrika.
Tsy sanatria hanararaotra fahatsoranao aho akia,
Fa raha misy tsiri-pitia,
RAISO AHO fa tia anao.

RAISO AHO raha sitrakao,
Aza lavina aho fa tia anao.
Fitia tsy hampandry no iriako,
F'izay rehetra any aminao.
RAISO AHO raha sitrakao,
Aza lavina aho fa tia anao.
Ianao irery no antenaiko
hitantana ahy mandrakizay
Ka RAISO AHO baby.

Hiandry ny foko,hiandry anao,
Trotraky ny alahelo.
Ianao irery,ianao no tiako,
Ianao irery no nofidiko.
Ankehitriny aho miangavy anao
mba handray ahy an-tanan-droa,
ireo amboaran'ny fitia
safidy tokana ho anao.

RAISO AHO raha sitrakao,
Aza lavina aho fa tianao,
Fitia tsy hampandry no iriako,
F'izay rehetra any aminao.
Raiso aho raha sitrakao,
Aza lavina aho fa tia anao.
Ianao irery no antenaiko
Hitantana ahy mandrakizay.
(Parole de ziiiks on facebook)
RAISO AHO raha sitrakao,
Aza lavina aho fa tia anao.
Fitia tsy hampandry no iriako
F'izay rehetra any aminao.
RAISO AHO raha sitrakao,
Aza lavina aho fa tia anao,
Ianao irery no antenaiko
Hitantana ahy mandrakizay
Ka RAISO AHO baby.

Partager raiso aho

Commenter raiso aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe EL'MICH