4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Valio anie aho - Dadah

Mandongilongy tsy mety hisinda

Zary midongy sy mivindavinda

Ireo maraina sarak’olon-tiana

Toa raho-mitatao manamaloka taratra

Ora-mitraho mihombo ho oram-baratra

Ny toetry ny andro ao am-po mangina



Valio anie aho (2)

Raha manina ianao ’ndraindray

Valio anie aho (2)

Sa efa sondrina ka tsy mahatsiahy



Ny voary manerana mandà ny hitraka

Toa miantso fitserana fa mila tsy ho zaka

Ireo andom-pahatsiarovana

Tsy tiana ho antsoina tsy sandry ialofana

Fa fo sendra voina tsy hay horakofana

Ny fanahy no zary torovana



Valio anie aho ....



Manangana avana ny lanitra manga

Mihira fitiavana fa manangasanga any ho any

Ilay olon-tiana

Ny voary mifoha tsy toy ny omaly

Fa tonga tokoa ilay mpamalifaly

Ireo voronkely mihira fihobiana



Fa tonga ianao (2)

Tsy niova f’ilay nahababo

Fa tonga ianao (2)

Ny lanitra mirana ny fo ravoravo








Partager valio anie aho

Commenter valio anie aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Dadah